Manana ny kalitao tsara omena ny mpandeha ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo. Porofon’izany ny nahazoany fankasitrahana iraisam-pirenena nomen’ny Airport Council International World.
Azon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ny loka «seranam-piaramanidina mendrika indrindra ho an’ireo mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa» ho an’ny taona 2023, natolotry ny Airport Council International (ACI) World. Mitantana ity fotodrafitrasa ity ny orinasa Ravinala Airports.
Manana ny fandaharanasa fitandroana ny kalitaon’ny asa, Airport Service Quality (ASQ) napetraky ny ACI World ny Ravinala Airports. Miisa 350 ny seranam-piaramanidina maneran-tany manaraka io drafitrasa io, ahafahana manara-maso ny fitandroana ny kalitaon’ny asa. Miisa 30 ny tondro jerena amin’ny fitantanana ny mpandeha, manomboka ny fahatongavany eo amin’ny seranam-piaramanidina. Anisan’ny nohadihadiana koa ny hevitry ny mpandeha sy ny fahitany ny fikarakarana ary ny tolotra omena azy ireo.
Taratry ny ezaka vita
Nilaza ny tale jeneralin’ny Ravinala Airports, Julien Coffinier, fa mametraka ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ho fitaratra aty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana amin’ny hatsaran’ny tolotra omeny ny mpanjifa ity fankasitrahana ity. Taratry ny ezaka vitan’ireo mpisehatra rehetra eny amin’ny seranana eny Ivato izany. Eo koa ny fanohanan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, hanatrarana ny vina iombonana hisian’ny fitantanana tsara kalitao ny seranam-piaramanidina.
Vao mainka hampitombo avo roa heny ny ezaka, hanomezana fahafaham-po ny mpandeha sy hanatsarana ny endriky ny seranam-piaramanidina eny Ivato ity loka ity. Vonona hatrany hanavao ny tolotra omena ny mpanjifa ny Ravinala Airports.
Njaka Andriantefiarinesy