Nampahafantarina omaly, ny tolotra vaovaon’ny Airtel Madagasikara, ny tambajotram-pifandraisana amin’ny alalan’ny zanabolana, nomena ny anarana hoe « Airtel Satellite ». Nilaza ny tale ara-barotra Airtel Madagasikara, Randriamanana Santatriniaina, fa misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpamatsy tolotra avy amin’ny zanabolana. Ahazoan’ny mpanjifa tambajotra tena matanjaka izany hatrany amin’ny toerana tena lavitra, marin-toerana sady tsy mifidy fotoana. Sahaza ny rehetra, tsara kalitao ho an’ny mpandraharaha, ny orinasa madinika sy ny salantsalany, ny fikambanana tsy miankina na koa ny sampandraharaham-panjakana.
Natao tany Afrika Atsimo ny andrana tamin’ny septambra 2023, ka atomboka eto Madagasikara ny fampiasana azy amin’ireo firenena 14 aty Afrika.
Nanamafy Rtoa Anne Catherine Tchokonté, tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, fa « azo ampiasana amin’ny fotoana sy ny zava-drehetra ity tambajotra avy amin’ny zanabolana ity ».
Zanabolana ambany fipetraka, 160 hatramin’ny 2 000 km miala amin’ny tany, eny amin’ny habakabaka ny teknolojia ampiasaina, « Loaw Earth Orbit » (LEO). Izany no antony mampatanjaka ny tambajotrany.
Njaka A.