Mpanao asa tanana: sahirana amin’ny fahitana akora fototra

Nitsidika ireo mpivarotra taozavatra malagasy, eny amin’ny vahilava Ambo­hitri­man­jaka, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriaman­dranto Joël, ny volana febroary teo. Nitafa mivantana tamin’ireo mpanao asa tanana, sady nijery ny fomba entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Anisan’ny tena nampitaraina azy ireo ny fahazoana akora fototra tsara kalitao. Eo koa ny fikarohana mpanjifa handray ny vokatra ary ny fanamorana ny fanondranana mankany ivelany.
Anisan’ny vahaolana ma­noloana ireo ny fampahafantarana ny mpanao taozavatra ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fanondranana any ivelany. Mila aseho ampahibemaso eny an-tse­na sy ny seranam-piaramanidina ihany koa ny lisitry ny vokatra azo haondrana any ivelany. Misy ny vinavinan’ny minisitera hitsidihana ireo tsena mivarotra ny akora fo­totra.
Nahafapo ny mpivarotra sy ny mpanao asa tanana ity fitsidihana nataon’ny minisitra Randriamandranto Joël teny Ambohitrimanjaka ity. Vonona izy ireo hitondra ny anjara birikiny hampiroboroboana ity sehatra ity.

Njaka A.

Partager sur: