Natao tany Fenoarivo Atsinanana ny atrikasa fampiofanana ireo ekipa avy amin’ny foibe tily, niaraka amin’ny BNGRC sy ny UNICEF, faritra Analanjirofo, ny herinandro teo. Lohahevitra maromaro no noraisina nandritra ny fampiofana, ny mahakasika ny “WASH” sy “Nutrition” ary ny “GRC”.
Nitsidika ny trano fonenan’ny mpianatra tao Barikadimy Toamasina, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tanjona ny hahavitan’ny fotodrafitrasa hatramin’ny farany. Misy efitrano 80 ary mitovy rafitra amin’ny tranon’ny mpianatra any Fenoarivo Atsinanana ny ao Toamasina.
Nandritra ny fandalovan’ny talem-paritry ny UNFPA aty Afrika Atsinanana sy Atsimo eto Madagasikara, nitafa tamin’ireo fikambanam-behivavy maro tonga nandray anjara tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izy. Mila omena andraikitra ny vehivavy amin’ny sehatra samihafa, hoy izy, mba ho mpitarika.
Tanjon’ny volana ramadany ny hivoaka madio toy ny zaza vao teraka rehefa vita ny fifehezana. Fotoana iantson’Andriamanitra ny zanak’olombelona ho vahininy ao aminy ny ramadany ka mila miomana ara-panahy sy ara-batana ny mpino silamo rehetra.