Niavaka ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, tany Antsiranana, ny 8 marsa teo. Nisy ny hetsika nataon’ny fikambanam-behivavy maro, toy ny filaharambe, “Carnaval”, sy ny hetsika sosialy. Nisongadina koa ny fikambanana Diego Miray, izay niorina ny taona 2009. Koa, handray anjara amin’ny sehatra politika ny fikambanana amin’izao faha-15 taona niorenany izao.
Nangataka ny hirotsahan’ny filoha mpanorina azy ho fidina amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao ireo mpikambana ao aminy. Satria mila olona vonona ny hitondra ny hetahetany any anivon’ny fitondrana foibe ny vahoaka.
Nilaza ny mpikambana fa afaka mampita ny filan’ny faritra misy azy ny filohany. Sady afaka mifampiresaka amin’ny olona an-tanan-tohatra samihafa, entina hampandrosoana an’Antsiranana. Nanamafy ny filohany fa laharam-pahamehany ny firaisankina sy ny fifanohanan’ny rehetra.
Njaka A.