Hotontosaina manomboka ny alahady 17 marsa ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanam-pirenena «Top 12», taranja Rugby. Tokony ho natao ny afakomaly teo moa izy ity saingy nisy ireo klioba nangataka ny nampihemorana azy noho ny tsy fahavononany.
Nifarana ny 10 marsa lasa teo ny fifaninanana Afrikanina ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny taranja Ping Pong, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, ny Malagasy mpilalao Ping Pong manomboka ny volana avrily ho avy izao.
Hifarana rahampitso alarobia ny lalao ampahavalon-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions” 2024, taranja baolina kitra. Efa misy ekipa efatra tafita amin’ny dingana manaraka. Anisan’izany ny PSG-France, Bayern-Allemagne, Real Madrid-Espagne, Manchester City-Angleterre.
Notanterahina ny alahady lasa teo ny andro faha-28, fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre «Premier League», taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Manchester City sy ny Liverpool FC. Nidina eo amin’ny laharana faharoa, araka izany, ny Liverpool FC ary fahatelo ny Man City.