Cross country – Mada 2024: tompondaka i Elysé sy Ralisy

sdsdsdTontosa tany Am­batondrazaka, ny sabotsy 9 marsa lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, “Cross Country”, ta­ranja atletisma. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasi­kara teo amin’ny sokajy “senior”, lehilahy, Rakoton­drainy Heriniaina Elysé, avy amin’ny Cosfa. Tontosany tao anatin’ny 31 mn 04 s 2/100 ny halavirana 10 km. Mbola mpihazakazaka avy amin’ny miaramila ny faharoa, Rambe­lo­son Fidèle Haveloma, nahatontosa izany tao anatin’ny 31 mn 34 s 33 %, ary fahatelo, Andrianantenaina Antonio Nirina, avy amin’ny CAAM Amoron’i Mania, 31 mn 39 s 4/100. Nifampitana tsara ireo mpifaninana teo amin’ny 5 km saingy taorian’io no tafatsoaka i Elysé ka tsy tratra intsony.
Ralisinirina Marthe avy amin’ny 3FB Analamanga kosa ny voalohany teo amin’ ny vehivavy, rehefa nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ ny 38 mn 38 s 9/100, narahin’i Sendrafefiniaina Marie (CAMI) Itasy, tara 2 mn taoriany, 40 mn 04 s 2/100. Nama­rana ny lampihazo, Rafaliari­soa Noel Ange (AS Fanala­manga), 40 mn 20 s 5/100.
Nahatratra 210 ireo mpifaninana avy amin’ireo ligim-paritra miisa 13, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Amo­ron’i Mania, Matsiatra Ambo­ny, Atsimo Andrefana, Boeny, Ihorombe, Fitovinany, Bongo­lava, Alaotra Mangoro, Anôsy, Atsinanana.

Tompondaka

Partager sur: