Jly Deramasinjaka Manantsoa : nanome toromarika ny miaramila

Nampivory ny miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika (EMA), ny Jly Deramasin­jaka Manantsoa Rakotoarivelo, nandritra ny fitsidihan’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny fandriampahalemana tany amin’ny faritra Bongolava, ny alatsinainy teo. Tao
amin’ny «Bataillon d’infanterie» Tsiroanomandidy, eo ambany fibaikoan’ny Kly Mahatombo Deboyer no nanatanterahana izany. Hentitra ny EMA amin’ny fanomezana baiko ireo tomponandraikitra any an-toerana amin’ny fanohizana hatrany ny fanarahana ny fitsipika maha miaramila. Baiko izay tsy mijanona fotsiny amin’ireo tomponandraikitra fa mila mipaka hatrany amin’ireo miaramila rehetra. Tamin’izany koa no nanomezany toromarika ny amin’ny fomba fiasa, fomba fitondrantena na amin’ny fanomanana ireo miaramila hiantsehatra na koa ireo miaramila manatanteraka iraka eny an-kianja. Natao izao mba hisian’ny firindran’ny asa, ahafahana manatratra ny tanjona dia ny «fandriampahalemana maharitra eto amin’ny Nosy antoky ny fampandrosoana», hoy izy. Nano­trona ny EMA ny kaomandin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Tsiafajavona (ZDS) niaraka tamin’ireo manamboninahitra tao an-toerana.

Jean Claude

Partager sur: