Mahitsy: tratra ny jiolahy mpamaky trano

Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanana teny Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly, ny jiolahy tompon’antoka tamina halatra niharo vaky trano tao Ambodimadiro Maevatanana, ny sabotsy teo. Nitrangana halatra tao amina tokantrano iray ao Ambodimadiro, ny 11 febroary 2024 lasa teo. Very tamin’izany ny ordinatera niaraka tamin’ny finday sy kojakoja samihafa tao an-trano. Fantatra nandritra ny fikarohana nataon’ny polisy fa lehilahy iray no tompon’antoka tamin’izany ka efa nitsoaka niakatra aty an-drenivohitra. Niroso tamin’ny vela-pandrika ny polisy, voamarina fa miery ao amina trano iray ao Mahitsy izy. Hita tao tokoa izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy. Tsy izy irery anefa ny tao fa niaraka tamina olona telo hafa (lehilahy roa sy vehivavy iray) mpiray tsikombakomba aminy. Nosamborina avy hatrany ireto olona efatra ireto ka nentina nihazo ny kaomisaria Maevatanana hanohizana ny famotorana. Mbola hita tao an-trano nisamborana azy ilay ordinatera nangalariny tao Maevatanana. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa zokin’io jiolahy tratra io ny iray amin’ireo olona telo tratra niaraka taminy ireo.

J.C

Partager sur: