Sakaraha: taksiborosy tratra nitondra zanaka baobab

Nangina ny sokatra! Fiara taksiborosy Sprinter an’ny kaoperativa iray miasa eny Fasanikarana no tratra nitondra zanaka baobab tao Sakaraha, omaly. Tao Ankatsakatsa, fokontany/ kaominina Sakaraha, distrikan’i Sakaraha, Pk 796+200, no tratra ity fiara fitateram-bahoaka ity. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary momba ny fisian’ity taksiborosy mitondra hazo arovana ity. Anisan’ireo mpandeha niaraka tamin’io fiara io ny tompon’entana. Nandalo teo amin’ny sakana nataon’ny zandary ny fiara ka najanona avy hatrany ary niroso tamin’ny fisavana ny mpitandro filaminana. Hazo arovana miisa 1 066, tanaty baoritra miisa 17 sy gony miisa fito, no hita tao amin’ny fitoeran’entan’ilay taksiborosy. Nasaina nidina ny olona tompon’ireto hazo nokasaina haondrana antsokosoko ireto niaraka tamin’ireo entana. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo hazo arovana ity hazo fantatra amin’ny anarana hoe « baobab nain na Pachy podium-ni ». Nambaran’ireo olona tompon’entana, nandritra ny fakana am-bavany azy ireo, fa nalaina avy amin’ny ala ampitan’ny reniranon’i Mangoky, distrikan’i Beroroha, ireo hazo ireo. Nokasain’izy ireo hamidy hakana tombony aty an-drenivohitra kanjo izao tratra izao. Haverina amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fiarovana ny ala ao Sakaraha ireto hazo ireto, raha hatolotra ny fampanoavana kosa ireo voarohirohy. Ny 10 febroary 2024 lasa teo no efa nisy karazana baobab mitovy amin’ireto koa tratran’ny zandary tao anaty taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, tao Mahaboboka. Natao tanaty gony 24 izany.

J.C

Partager sur: