Hangotraka ny raharaha !

 

Vaovao iray nandrasana, omaly, ny mahakasika ilay vovonana goavam-be, iraisan’ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Vovonana mamory vovonana iraisan’ny fikambanana marobe, voalaza fa manohana fitondrana. Naharitra ela ny fiandrasana an’Ambato­bevohoka. Tsy nisy indray aloha ny anaran’izay olona hisafidianana amin’ny 29 mey ho avy izao. Vao ny ranon-dohany indray no vaky, mbola ny rafitra aloha no misy.
Na izany na tsy izany, mariky ny fahavononana avokoa ny fihetsiketsehana etsy sy eroa. Samy manovokovoka na ny mpanohitra na ny mpanohana. Anatin’ny fifampihantsiana ankolaka amin’ny fanaovana fanambarana rahateo ny mpifanandrina politika. Iray ihany ny tanjona: hahazo ny maro anisa eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Izay mandrombaka ny amboara rahateo no hifehy ny antsasa-pahefan’ny mpanatanteraka farahafakeliny.
Iza no tsy te hahazo ny toeran’ny Praiminisitra izany amin’ny fomba mihaja ? Hanongana aza ireny saika hatao, mainka fa amin’ny fomba demokratika. Ny fifidianana samy irery no hany ahazoana ny Lapan’i Mahazoarivo. Ny an’ny sasany ireny efa mandeha ny famoahana lisitra sy anarana. Ny an’ny hafa mbola tsy hita izay mendrika sy tena ho mamim-bahoaka. Ny azo ambara anefa, ho mafimafy kokoa noho ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika ny zava-misy.
Amin’ity fifidianana indray mitoraka ity no hampiseho ny heriny ny samy tompon-tanàna. Tsy misy hitsitsitsitsy fa afaka ny hifampitana tsara any anatin’ny ady handresen-dahatra ny mpandatsa-bato sy ny fiarovana ny safidim-bahoaka. Samy efa niara-nitondra tao avokoa ireo mpanao politika, samy namadibadika palitao noho ny fikatsahana tombontsoa manokana. Mifankahalala fomba fiasa sy ny fanao mahazatra ka mifampiandry amin’ny ankodimirana.
Porofo izany fa hangotraka ny raharaham-pifidianana ka izay tsy mahay milalao ihany no tsy mahazo.

r.r

Partager sur: