FANTINA sy FINTINA

Nodimandry omaly, teto Antananarivo, ny mpandrindra ny Antoko MMM, miandraikitra ny faritra Amoron’i Mania, ny maître Maminirina Josoa Eugène. Efa lehiben’ny Faritra tany an-toerana, nandritra ny fitondrana tetezamita, ny taona 2009 hatramin’ny 2013 izy. Higadona anio maraina any Ambositra ny vatana mangatsiakany.
Anisan’ireo kandidà ho filohan’ny vaomieran’ ny Vondrona Afrikanina (UA), ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Navoakan’ireo haino aman-jery any Afrika, ny herinandro teo, izany. Anisan’ ny ho mpifaninana aminy koa ny filoha kenyanina, teo aloha, Raila Odinga.
“Tsy voahaja ny rafitra miaro ny demokrasia”, hoy Rakoto Andrianirina Fetison, filoha nasionalin’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sy ny sosialy (RDS). Raha ny momba ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), ohatra, omen’ny fitondrana fahefana tena hijoro marina amin’ny fiarovana ny demokrasia tokoa ve izany rafitra izany?
Mikarakara fifaninana ho an’ny mpanao gazety ny Transparency international – IM. Hiompana amin’ny fanadihadiana lalina momba ny ady amin’ny kolikoly izany. Hatao amin’ny alalan’ny horonantsary na lahatsoratra ny fitrandrahana hatao. Hifarana ny 18 avrily izao ny fifaninanana raha efa nanomboka, omaly.

Partager sur: