Hisy ny « Fandiovana » sy « Saotra », hatao any amin’ny Lapa valo sy fihasignana 12, any Ambohinatao, Ambohimiarinkova Iharagnarivo, kaominina Sahave, distrikan’Ambohimasoa. Ny zoma 22 marsa izao no daty voatondro ho an’ity fomba nentim-paharazana ity, any an-toerana. Olona maro no manatrika izany isan-taona, ka misy ireo avy monina lavitra no manokana fotoana amin’izany.
Tsy mbola manome lanja ny angon-tahiry ny Malagasy ! Manana endrika maro ny angon-tahiry. Anisan’ireny ny boky, ny fitaovana nampiasaina fahiny, sns. Amin’ny ankapobeny, tsy toetra raikitra amin’ny Malagasy io manao tsinontsinona ny zavatra tahirizina io. Manamafy izany ny fahatairana na hatezerana, rehefa misy manimbazimba ireny angon-tahiry ireny.
Mitombo fatratra ny mpanoratra tononkalo. Tsy handaniana fotoana loatra izy io sady maro ny tanora manan-talenta… Saingy, na izany aza, tokony hisy hatrany ny fianarana miaraka amin’ireny talenta vao misandratra ireny. Adidin’ireo mpanoratra zoky no mitari-dalana sy mizara fahalalana ho an’ireo zandry aty aoriana.
Notanterahina, omaly, teny amin’ny IFM Analakely, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana “Tsy manan-kialofana- Sans abris”, an’i Ashiko Ratovo. Seho ranty ahitana ireo hosodoko vokatry ny fiofanana natrehin’ity mpanakanto ity tany Paris. Ny 27 avrily 2024 no hifarana ny hetsika.