Fitrandrahana volamena: Sorohina ny fampiasana merkiora

Nanao sonia fifanarahana maro i Madagasikara hitsinjovana ny tontolo iainana sy ny fanajana ary ny fahasalamana. Nandray anjara tamin’ny fifanarahan’i Minamata, any Japana, ny governemanta malagasy, ny 10 oktobra 2013, ary nankatoavina ny 13 mey 2015.

Voarakitra ao ny fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona sy ny tontolo iainana, ny fiantraikany ratsy amin’ny fampiasana akora merkiora sy ny mifandraika aminy.
Natao ny herinandro lasa teo ny atrikasa nanombanana ny tetikasa “Planet Gold Madagasikara” mahakasika izany. Anisan’ny efa zava-bita ny Drafitrasa hampihenana sy/na hanafoanana ny fampiasana merkiora amin’ny fitrandrahana madinika ny volamena (EMAPE). Fantatra fa efa fomba fanao aty Madagasikara ny fampiasana ity akora ity, any amin’ireo toeram-pitrandrahana. Manimba ny tontolo iainana sy ny rohy voahary anefa izany, mandoto ny nofon-tany sy ny rano, mandripaka ny ala sy ny tontolo mananaina amin’ny ankapobeny.
Mahazo tohana i Madagasikara, ao anatin’ny tetikasa « Gold Plus », hanatantera­hana ny Drafitrasa EMAPE. Tanjona ny hampihenana ny fampiasana ny merkiora amin’ ny fitrandrahana volamena. Eo koa ny fampanaraham-penitra ny fitrandrahana madinika, eo amin’ny tontolon’ny volamena, sady hahazoan’ny mpitrandraka famatsiam-bola, mba hampiasana ny teknolojia maharitra tsy misy merkiora.
Miisa efatra ny toeram-pitrandrahana madinika voakasiky ny tetikasa « Planet Gold Madagasikara ». Miisa 600 000 ny mpitrandraka hisitraka azy, ahitana vehivavy, lehilahy, mpa­nefy volamena, ankizy miasa tsy araka ny tokony ho izy, ny mpo­nina eny ifotony, sns. Haharitra 60 volana (dimy taona) ny tetikasa, nanomboka ny desambra 2023 hatramin’ny desambra 2028.

Njaka Andriantefiarinesy

Ireo toeram-pitrandrahana efatra :

– Ambalamanasa Mananjary, kaominina (CR) Vohilava, faritra Vatovavy.
– Andrafialava Ambilobe, CR Betsiaka, faritra Diana.
– Farezy Betioky, CR Lazarivo, faritra Atsimo Andrefana.
– Antanimbary Maevatanana, CR Antanimbary, faritra Betsiboka.

Partager sur: