Ratsy ny lalana mampitohy ny tampon-tanànan’i Soavinandriana sy ny kaominina Mananasy, tato anatin’ny 25 taona. Faritra mamokatra nefa ny any Mananasy. Sakana ho an’ny toekarena, araka izany, ny haratsian-dalana. Nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, hampiroboroboana ny toekarena, amin’ny alalan’ny tetikasa “Casef”, hanarenana ny lalana Soavinandriana-Mananasy, mirefy 12 km. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, mitentina 4 649 729 666 Ar.
Maharitra 7 volana ny asa, nanomboka ny volana novambra 2023 teo ary hifarana amin’ ny mey 2024 ho avy izao. Anisan’ny natao ny fandravonana ny lalan-tany, ny fananganana lakandrano vita amin’ny vato sy simenitra, ny tetezan-kely, sns.
Nijery ny fizotry ny asa, ny herinandro lasa teo, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Rakotoharijaona Suzelin, niaraka tamin’ny tomponandraikitra avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny voakasika, ny mpandrindra nasionaly ny tetikasa “Casef” ary ny avy amin’ny Banky iraisam-pirenena.
Tafiditra ao anatin’ny asa fanaraha-maso ny asan’ny “Casef”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola ity fidinana ifotony ity. Notsipihin’ny minisitra Minae, fa zava-dehibe ny fikojakojana mba hampaharitra ny fotodrafitrasa amboarina toy izao. Manana ny lanjany ara-toekarena sy sosialy ny any an-toerana.
Njaka A.