Indostria: Hapetraka anatin’ny 100 andro ireo milina mpanodim-bokatra

Vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny fampiroboro­boana ny famokarana eto Madagasikara, hialana amin’ny fanafarana entana any ivelany. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny teti­kasa “Taninketsa indostrialy” ataon’ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra. Hatramin’ny taon-dasa, misy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ ny minisitera amin’ny fametrahana ireo milina hanodinana ny vokatry ny tantsaha. Ny taona 2023, efa maherin’ny 40 ireo milina tafapetraka. Hafain­ganina sy mbola hitohy ao anatin’ny 100 andro ny tetikasa fametrahana ireo milina tsy mbola tafapetraka. Araka izany, napetraka ao Moramanga ny milina hanodina ronono ho lasa yaourt sy fromazy. Toerana anisan’ ny mamokatra ronono betsaka ny faritra saingy tsy nanana fotodrafitrasa hanodinana izany, antony indrindra nahatonga ny minisitera nametraka ny milina hanampiana ny tantsaha sy hampitom­boina ny fidiram-bolany ary hanatsarana ny toekaren’ny faritra. Toy izany koa ny milina fanodinana tantely ao Manjakandriana, ny milina fanodinana paoma ao Antsirabe, ny milina fanodi­nana ovy ao Betafo. Hapetraka tsy ho ela koa ny ozinina hanodina voatabia ao Mahitsy.

Fifampitsinjovana

Natao ho zakan’ny fahefa-mividin’ny tokantrano tsirairay sy tsara kalitao ary manara-penitra ny vokatry ny tetikasa “Odof”. Manampy ny fampitomboam-bokatry ny tantsaha izany no mampiroboro ny fihariany ihany koa. Manaporofo izany ny fandrosoan’ny taninketsa indostrialy napetraka ao Ankadinondry Sakay. Milina mpanodina voanjo ho lasa menaka no nape­traka any an-toerana. Ankehitriny, maro ireo maniry handray ny vokatra azo noho ny hatsaran’ny kalitao. Tsy maharaka ny filàn’ny mponina ny vokatra voahodina raha toa ka ratsy sy mbola nahodina tanana izany taloha.

Henintsoa H.

Partager sur: