Notokanana, ny herinandro teo, ny efitrano fandidiana voatokana ho an’ny maso ao amin’ny CHU Anosiala. Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana maso ao amin’ny hopitaly ny fotodrafitrasa, indrindra ny fandidiana ny areti-maso katarakta. Niarahana tamin’ny Korea University Médecine sy ny ONG Well International ny fanamboarana izany.
Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana hataon’ny CHU Fenoarivo, ny 21 sy 22 marsa izao. Hiompana amin’ny aretin-tratra sy ny aretim-po tsy mila fandidiana ny fizahana hatao. Mila mitondra karne sy arovava orona ireo rehetra maniry ny ho tonga eny. Hifarimbonan’ireo dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana eny an-toerana ny hetsika.
Ho fanatanterahana ny fifanarahana tamin’i Emirats Arabes-Unis, hanomboka tsy ho ela ny fampiofanana haitarika, fitantanan-draharaham-panjakana, fanatanterahana politikam-bahoaka, ho an’ireo tomponandraiki-panjakana ambony. Mizara andiany 2 ny fampiofanana, ny voalohany ho an’ireo minisitra ary ny faharoa ho an’ireo sekretera jeneralin’ny minisitera.
Tsy hisy fiovana goavana ny maripana, fa any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy no somary ambony ato anatin’ny roa andro ho avy. Eto Antananarivo, eo anelanelan’ny 17 sy 28 °C ny maripana, ho an’ny anio. Hisy orana mitsitokotoko ny faramparan’ny herinandro, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy.