Tetikasa « elatra » sy  « tantsoroka » : hampiofana arakasa ireo niharan’ny herisetra

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tetsy Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo, ny tetikasa “elatra” sy “tantsoroka”. Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Affaire mondiale Ca­nada ny fondation Aga Khan, ka antony nahafahana nanao izany. Hahazo tombontsoa mivantana amin’izany ireo vehivavy sy zatovovavy miisa 170 niharan’ny herisetra amin’ ny lafiny rehetra. 150 avy amin’ ny “elatra”, raha 20 kosa ny “tantsoroka”. “Tanjona ny ha­nampiana ireo zatovovavy sy vehivavy hivoatra amin’ny lafiny ekonomika sy hampahaleo tena azy ireo amin’ny fiainana fa tsy hiankina lava amin’ ny lehilahy”, hoy Rabetoko­tany Rivosoa, talen’ny tetikasa.
“Omena fiofanana arakasa sy fanatsarana ny fomba fiasa ary hahazo tohana ara-tsaina ihany koa izy ireo mandritra izany’, hoy kosa ny filoha mpitantana ny tetikasa “elatra” sy ny Women Lead Movement Madagascar, Rasamimanana Riambelo Onjaniaina. Jerena ny asa mifanaraka amin’ny fiofanana nataon’izy ireo aorian’ ny fiofanana. Entanina ihany koa ireo mpiantsehatra rehetra eny ifotony mba hanampy ny vehivavy sy ny zatovovavy hisitraka ny zony. “Hiantohana tanteraka ny fianarana ataon’ ireo mpisitraka ny tetikasa na inona karazana lalam-piofanana tiany hatao na inona”, hoy Tahirintsoa Malalaniaina, avy amin’ny plateforme sy mpitantana ny tetikasa “tantsoroka”. Trandra­hina, amin’izany, ny asa heverin’ny olona ho an’ny lehilahy. Misy ireo vehivavy maniry sy te hisehatra amin’ireny karazana asa ireny ka anton’izany ny fisian’ny fampiofanana. Atao eto Anala­manga sy any Matsiatra Am­bony ka haharitra 22 volana, ny tetikasa.

Mino

Partager sur: