Zava-doza no nanjo ireto mpiompy akoho, tao Ambohimiarivo, omaly. Nirehitra ny gorodona, nahazo ny bateria mpamatsy angovo tao an-trano ka nipoaka. Maty tsy tra-drano ny zaza 10 taona.
Nitrangana haintrano namoizana ain’olona tao Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, omaly. Trano fonenana sady fiompiana akoho fakana nofo no tra-doza sy nirehitra. Vokany, maty tsy tra-drano ny ankizy iray, zay vao 10 taona monja. Afaka nivoaka kosa ny namany, 20 taona, izay niara-natory taminy. Sempotra ka tsy maintsy nanaraka fitsaboana ity farany.
Tsy fantatra mazava ny fototry ny afo, araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana, any an-toerana. « Nirehitra tampoka ny ny gorodon’ny trano. Nahazo ny batery izay mpamatsy angovo ny trano. Nipoaka izany ka niparitaka vetivety ny afo, nandrakotra ny trano iray manontolo », hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
Ankoatra ny aina nafoy, hotohoton’ny afo avokoa ny akoho, nompiana tao an-trano.
Tonga nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra Andranomanelatra.
Mila mitandrina
Manoloana ny voina tahaka izao, manentana hatrany ny tomponandraikitra amin’ny fitandremana tokony ho raisin’ny mpiompy akoho tahaka izao. Efa nisy ny tranga iray niseho tao Antsirabe, izay namoizana ain’olona, volana vitsy lasa izay. Nianjera tsy nahy, nandritra ny fanamarinana nataon’ny tompon-trano ireo taribin-jiro mamatsy angovo, manafana ny akohokely. Noho ny orana, mando ny toerana, vokany main’ny herinaratra ny tompon-trano. Namoy ny ainy irery tao am-pisoko. Izy tsy niverina namonjy fandriana no nanaitra ny tao an-trano. Nijery azy tany amin’ny trano fiompiana akohony vady aman-janany saingy vatana efa tsy nisy aina no hita. Mila fitandremana !
J.C