Avy namaky trano: jiolahy iray tratran’ny fitsaram-bahoaka

Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Andohaniato Ambohipo, afakomaly. Efa saika namoy ny ainy mihitsy izy noho ny hatezeran’ny olona raha tsy tonga haingana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2). Raha ny fanazavan’ny fokonolona, araka ny tatitra nampi­tain’ny polisy, niditra tao ami­na efitrano fandraisam-bahiny iray ity jiolahy ity tamin’ny afakomaly maraina. Nalainy ny ordinatera an’olona nipetraka tao.
Niantso vonjy avy hatrany ilay vehivavy tompon-trano, raikitra teo ny fifanenjehana. Nanavotr’aina nitsoaka izy saingy tsy naharesy tosika ireo fokonolona efa nentin-katezerana. Tsy lasa lavitra dia tratra. Samy nitsaingoka nanala ny fony tamin’ity jiolahy ity avokoa ireo rehetra nahita azy.
Nahazo antso ny polisin’ny CSP2, taorian’izay ka tonga haingana naka azy nihazo ny biraon’ny kaomisaria. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Efa naverina amin’ny tompony kosa ilay ordinatera nangalariny. Malaza ratsy amin’ny vaky trano sy fanendahana amin’iny faritra Ambohipo iny ity jiolahy sy ireo namany saingy izy aloha no tratra. Eo am-pikarohana ireo namany kosa ny polisy.

J.C

Partager sur: