Teratany vahiny iray handray ny zotram-piaramanidina hihazo an’Antananarivo no voasambotry ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany ao Toliara, omaly. Nahatrarana zana-tsokatra enina tao anatin’ny valiziny nandritra ny fisavana. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny polisy fa teo am-pidirana ny seranana izy dia somary nampiahiahy ny fihetsiny. Mailomailo sady kaodikaody ihany teo am-pisavana ny tapakilam-piaramanidina. Efa namboariny tsara tao anaty vatahazo roa ireto zana-tsokatra ireto.
Nentina nanaovana fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny polisy ekonomika izy. Nilaza izy nandritra ny famotorana azy fa novidiany tao Toliara ireo sokatra kely. Nogiazan’
ny polisy avy hatrany ireo biby ka hatolotra ny tomponandraikitra misahana ny tontolo iainana ao an-toerana. Tsy vitan’izay fa mbola nahitana Big Boss telo ihany koa tao anaty etany nandritra ny fitohizan’ny fisavana. Marihina moa fa tafiditra ao anatin’ireo biby arovana sady tsy azo aondrana na hoentina mivoaka ny faritra ny sokatra. Mahita hirika hatrany anefa ireo olona sasany indrindra fa ny vahiny na eo aza izany fandrarana efa napetraky ny fanjakana izany.
J.C