Hatao ao Antsirabe, anio ny “Hetsika rodorodon’ny fanambaram-pananana”. Hetsika hampiroboroboana ny fanambaram-pananana, iarahana amin’ny Bianco izany. Anisan’ny hiatrika izany ireo ben’ny Tanàna sy mpiasam-panjakana ary ny eny amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana.
Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, ny Jly Razafimandimby Sylvain. Anisan’ireo manamboninahitra ambony nandamina ny krizin’ny 2001- 2002, niakaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana ny tenany. Efa lehiben’ny etamazaoron’ny tafika ny taona 2002 hatramin’ny taona 2003.
Nahazo sazy vaovao, roa taona an-tranomaizina indray ny tompon’ny gazety “La gazette de la grande Ile”, i Lola Rasoamaharo, araka ny didy nivoaka, afakomaly. Anisan’ny vesatra iampangana azy ny fikasana hitsoaka ny fonja. Efa voasazy 5 taona an-tranomaizina izy noho ny fisolokiana sy fandrahonana, mpandraharaha vehivavy.
Hotanterahina, anio ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) sy ny ivon-toerana, “ELI – English Language Institute”. Hatao eny Ambatoroka izany fifanarahana izany. Tombony ho an’ny mpanao gazety ny fiofanana maimaipoana ho an’ny teny anglisy.