IKM Antsahavola – Hanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny poezia ihany koa. Satria andro fiasana ny alakamisy 21 marsa, hatao ny takarivan’ny zoma 22 marsa ny fankalazana, ao amin’ity ivokolo ity. Iarahana amin-dry zareo avy ao amin’ny Madagaslam, sampana Antananarivo izany. Malalaka ny fidirana sy ny sehatra, natao hanehoana sy ifanakalozana talenta ho an’izay hanatrika.
Tanterahina, anio, eny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny Atrikasa Angano, iarahana amin’ Ny Eja, anisan’ireo Malagasy sangany amin’ny fitantarana angano izy. Tanjona ny hahatonga ny mpitantara sy ny mpamorona ho matihanina mba tsy hampiova ny maha fantsona fampitana fanabeazana ny angano.
Ny piesy teatraly « Za koa », lalaovin’ny Compagnie Miangaly Théâtre, no ho hita eny amin’ny IFM Analakely, amin’ity anio ity, ao anatin’ny « Temps Fort Théâtre ». Ilay « Za koa » an’i Hary Rabary izy ity no navadik’i Christiane Ramanantsoa ho azo lalaovina an-tsehatra. Misokatra ho an’ny rehetra ary maimaimpoana ny hetsika.
Miroso tsikelikely amin’ny fampianarana ampitain-davitra ny zavakanto malagasy. Na eo aza ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ny samy mpampianatra, efa misy ao anatin’ny andrana ny mpikaroka sasany. Raha tsiahivina, anisan’ny mahasarotiny ny mpampita fahalalana momba ny zavakanto ny hasina ananan’ny fahalalana ampitainy ka tokony hifanatrika hatrany ny mpianatra sy ny mpampianatra.