SOMBIM-BAOVAO

Nahazo fandresena fahatelo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja Motocross indray, i Mathias Plantive ny alahady lasa teo teny Ambohidava. Marihina fa tamin’ity dingana fahefatra ity, mbola i Claudio Tida ihany no laharana faharoa. Araka izany, mbola eo amin’ny laharana voalohany hatrany i Mathias Plantive.

Afaka tapa-bolana, hotanterahina any Vaki­nankaratra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara taona 2024, taranja tsipy kanetibe. Tsara marihina fa hifarana ny 31 marsa ho avy izao ny fe-potoana farany amin’ny fanavaozana ny taratasim-pilalaovana ho an’ireo Malagasy mpilalaon’ny taranja tsipy kanetibe.

Ho fampiroboroboana ny sehatra baolina kitra ho an’ny tanora eto Madagasikara, hisy tetikasa karakarain’ny Fifa izay andraisan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) anjara, araka ny fampitam-baovao nataon’ny FMF, ny alatsinainy lasa teo. Araka izany, hisy ny fitiliana tanora hahafahana manangana ekipa nasionaly zandriny.

Notontosaina teny 67ha, biraon’ny federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), ny fivorian’ireo mpikambana eo anivon’ny kaomisionina misahana ny “mini-basket” eo anivon’ny FMBB. Tsiahivina fa manomana ny “Forum National Mini-basket 2024”, izay hatao ao Mahamasina ny 24-25 marsa ho avy izao izy ireo.

Partager sur: