Nanao tatitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fananganan-tsaina ny alatsinainy teo fa tao anatin’ny telo volana voalohany dia efa nahatratra 100 000 ny olona nisitraka ny fanentanana sy tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny vokatra takina ao anatin’
ny 100 andro izany.
Mandritra ny 10 andro ny fitetezana fokontany hataon’ireo tanora hiandraikitra ny fanisana hahafahana mizara karnem-pokontany manara-penitra isaky ny ankohonana. Hanao ny fanadihadiana ny ankohonana marefo ihany ko izy ireo. Iarahana amin’ny tetikiasa Prodigy sy ny minisitera misahana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra izany.
Hampahafantarina mandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny toetry ny andro ny drafitrasam-pirenena 2023-2027 mifandraika amin’ilay tetikasa fampahafantarana mialoha ny tandindon-doza ho an’ny rehetra tarihin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana.
Ho any Vakinankaratra indray ny fanofanana faobe ho an’ny asan’ny web rehefa natao teto Antananarivo sy Toamasina. Anio sy rahampitso ny fifantenana ireo liana ka mahafeno ny fepetra takina hifaninanana. Voafetra ho 200 no horaisina voalohany ka hofanina ho “freelancer” amin’ity sokajin’asa ity.