Toamasina : hampanarahana fenitra ny jono

Tafiditra ao anatin’ny fe-potoana 100 andro, napetraky ny filoham-pirenena ny fampandrosoana isam-paritra. Anisan’ny fomba hanatrarana izany ny fampiharana ny lalàna mifehy ny jono mahakasika ny fitaovana ampiasain’ny mpanjono. Tonga tany Toamasina ny iraka avy any amin’ny minisitera foibe, notronin’ny fitaleavam-paritra momba ny jono sy ny toekarena manga, faritra Atsinanana. Nanampy azy ireo nandraoka ny harato tsy ara-dalàna ny zandarimariam-pirenena, ny sabotsy lasa teo.
Nilaza ny talem-paritraAtsinanana, Raharimandimby Simon, fa tsy maintsy nandraisana fepetra izy ireo. “Lay ody moka no nampiasain’ireo mpanjono, tsy mifanaraka amin’ny mason’ny harato eken’ny lalàna izany. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hampiasa harato, sy ho an’ny mpanangom-bokatra ihany koa izy ireo”, hoy izy. Notolorana akanjo aroloza sy harato manaram-penitra kosa ny mpanjono manana taratasy ara-dalàna.

Sajo

Partager sur: