Nanao atrikasa teto Antananarivo, afakomaly ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) sy ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Natsangana ny Vovonana mpandrindra stratejika ny sehatry ny tontolo iainana (PCS-E). Rafitra ifampidinihin’ny mpisehatra marolafy izany. Handrindra ny asa hanatrarana ny tanjona hanohanana ny Medd.
Hita ao anatin’ny PCS-E avokoa ny rafitry ny firenana Mikambana: Pnud, FAO, Unicef, Unesco, OIM, UNDCF, Pam, Onudi, ONUDC. Torak’ izany ny Vondrona eoropeana (UE), ny GIZ sy KfW, ny AFD, ny masoivohon’i Frantsa, i Royaume Uni, i Alemana, i Etazonia sy Usaid, ary ny Banky iraisam-pirenena.
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fivoriana ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny PCS-E sy nijerena ny asa ho tanterahina. Nampahafantarin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, Max Fontaine, ny paikady stratejikan’ny minisitera. Hatao isaky ny telo volana ny fivoriana iombonana toy izao, hametrahana paikady mahomby sady hanombanana ny tetikasa iraisana. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny harena voajanahary, ny ady amin’ny fandotoana ny tontolo, ny fampandrosoana maharitra ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro.
Njaka A.