Tanjombato: vehivavy nahatrarana héroïne 21 fonosana

Naiditra vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay vehivavy nahatrarana héroïne tetsy Tanjombato. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina avy ao Anosy, ny talata 19 marsa teo, izy. Naharay angom-baovao ny mpitandro filaminana fa manaparitaka io karazan-javamahadomelina mahery vaika io, eny amin’ny kaominina Tanjombato sy ny manodidina, ity renim-pianakaviana ity. Nanao vela-pandrika, araka izany ny polisy ka noraisim-potsiny teo am-pikirakirana io rongony mahery vaika io, tao amin’ny trano fonenany, io ramatoa io. Héroïne anaty fonosana kely efa voatsinjara 21 isa sarona tao aminy. Sandainy amin’ny sarany 70 000 Ar ny fonosona rehetra eny amin’ny faritry ny 67 Ha. Notsinjarainy sy navadiny ho fonosana madinika “cocotte” io héroïne io ary amidiny amin’ny sarany 5 000 Ar. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy izy ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana.
Ankoatra io, vehivavy iray hafa nihazona cocaïne 250 grama naiditra vonjimaika any am-ponja, afakomaly. Voasambotry ny zandary tao amin’ny seranan-tsambo Nosy Be izy, ny faran’ny herinandro teo.

Tsiferana R.

Partager sur: