Naratra mafy, nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny mpamaky trano iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Fankakamandroso, kaominina Ambohitranandriana, distrikan’ Antsirabe II, ny 18 marsa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, anatin’io fokontany voalaza io, ilay lehilahy mpangalatra, tamin’ny 4 ora maraina. Nihevitra izy fa mbola rendriky ny torimaso ny tompon-trano ka nanararaotra handroba. Nanambana antsy avy hatrany io mpamaky trano io vantany vao tafiditra ny trano. Niezaka niantso vonjy ny lasibatra. Nanao tari-dositra ilay nanambana antsy. Niray hina ny fokonolona. Nifanenjehan’izy ireo io jiolahy io. Tsy tafatsoaka lavitra, tratran’ny vantan-dehilahy nanenjika azy ity farany. Raikitra ny vono. Nodarodarohan’ny fokonolona vokatry ny hatezeran’izy ireo ilay mpandroba.
Efa mpandroba…
Mpanao io asa ratsy io, anatin’ny kaominina Ambohitranandriana, nandrasan’ ny fokonolona ao an-toerana kendry tohiny ity jiolahy tratra ity. Nanamparatra nidaroka sy namono ireo vatan-dehilahy nahasambotra azy ka saika nanaraka hatramin’ny ainy. Tonga ara-potoana, nandray an-tanàna ny raharaha, ny zandary. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ilay mpangalatra. Natolotra ny fampanoavana taorian’izay ka notanana vonjimaika any am-ponja .
Tsiferana R.