TSELATRA

Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny borigadin’i Behenjy, omaly, ny jiolahy roa lahy avy nandroba vola 2 000 000 Ar, ny 18 marsa lasa teo. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo ny andron’ny fanafihana saingy tafaporitsaka. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny alika mpitsongo dia, izao tra-tehaka sy voatifitra izao izy ireo.

Voasambotry ny zandary ilay raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy 13 taona tao amin’ny fokontany Ampotamandrevo, kaominina Maroala, distrikan’ Antsohihy, afakomaly. Nentin’ny rainy hiantsena any Antonibe, distrikan’Analalava, io zanany io, ka nohararaotiny nanaovana ny filan-dratsiny. Ny rahavavin-drenin’ilay zaza lasibatra no nampandre ny mpitandro filaminana.

Roa lahy nikasa hivarotra rongony 82,9 kg voasambotry ny mpitandro filaminana tao Morondava, omaly. Nafatratra tao anaty gony ireo zava-mahadomelina ireo. Efa mpamatsy rongony ireto sarona ireto.

Taolan’omby sisa navelan’ny dahalo tao amin’ny tanànan’Ambohidrazana, fokontany Antanambahiny, kaominina Ambatomanga, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Nesorin’ny dahalo avokoa ny hena rehetra tamin’io omby nangalariny io.  Nanao ny fanarahan-dia ny fokonolona saingy tsy tratra ireo olon-dratsy.

Partager sur: