Fadintseranana: nahazo ny loka fahaiza-mitarika ny tale jeneraly Lainkana Zafivanona

Natolotra ny tale jeneraly (DG) ny fadintseranana malagasy, ny Dr Lainkana Zafivanona, ny 14 sy ny 15 marsa teo, tany Addis Abeba Etiopia, ny loka « African Leadership Commendation Award ».

Fankasitrahana natao nandritra ny lanonana ofisialy nokarakarain’ny gazety boky African Leader­ship Magazine, ho an’ny mpanao politika, ny mpitantana rafi-panjakana na orinasa tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena, ny mpitarika fikambanana, hitarafana ny fandrosoana ara-toekarena sy sosialy aty Afrika.
Fankasitrahana ny fahaiza-mitarika sy ny vina nentin’ny Dr Lainkana Zafivanona amin’ ny fanavaozana ny fitanta­nana ny fadintseranana mala­gasy ity loka ity. Manome lanja ny ladoany malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa.
Maro ny fivoriana iraisam-pirenena noraisin’i Madaga­si­kara. Toy ny fivoriana « Re­gio­nal Steering Group » (RSG), andiany faha-36 ho an’ny ta­panyAtsinanana sy Atsi­mon’i Afrika (ESA) ho an’ny Fikam­ba­nana iraisam-pirenena ny fadin-tseranana (OMD) ny taona 2022. Eo koa ny fivoriana faha-37 ny RSG sy ny faha-29 ny « Gouverning Coun­cil », ny taona 2023. Manka­laza ny faha-200 taona niorenany ny ladoany malagasy, izay natrehin’ny sekretera je­neralin’ny OMD, ny Dr. Kunio Mikuriya.
Tafiditra ao anatin’ny fi­kambanana iraisam-pirenena ny ladoany (OMD) i Madaga­sikara ny taona 2023. Ao anatin’nyVaomiera politika ankapobeny (Policy Commis­sion) miaraka amin’ireo mpikambana 24, ahitana firenena 186. Mpikambana miaraka amin’ireo firenena telo ao anatin’ny komity mpitantana nyfaritra Atsinanana sy Atsimon’i Afrika (ESA) koa ny ladoany malagasy.

Teknolojia niomerika
Napetraka nanomboka ny taona 2019 ny fandaharanasa fanavaozana tanteraka manaraka ny toetrandro ny fadin­tseranana eto amintsika. Miisa 31 ny tetikasa ao, toy ny fampidirana ny teknolojia nio­me­rika, ny fiarovana ny vola miditra, ny fanamorana ny fifanakalozana traikefa ary ny fanatsarana ny maha olona. Efa madiva ho eo am-pamaranana daholo ny ankamaroan’ ireo tetikasa ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: