VAOVAO TAMBATRA

4150,8 miliara dolara ny vola azo tamin’ny fitran­drahana nikela ny taona 2023, raha 4606,5 miliara dolara izany ny taona 2022. Manodidina ny 39 900 taonina eo koa ny vokatra naondran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa, raha 38 600 ny taona 2022. Nitombo ny vokatra naondrantsika saingy mitotongana ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Niakatra 0,003 ny famantarana momba ny fampandrosoana ny olombelona (IDH) ho an’i Madagasi­kara tao anatin’ny herintaona. Kely ny fivoarana saingy nihatsara izany hatramin’ny taona 2019. 0,484 ny IDH ho an’i Madagasikara ny taona 2021, raha 0,487 ny taona 2022. Eo amin’ny laharaha faha-177 amin’ireo firenena 193 no misy antsika amin’izao.

Hamerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny famokarana ny tetikasa “Tefiala” sy ny “Folur”. Fia­raha-miasa iarahan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny FAO. Anisan’ny toerana voakasiky ny tetikasa ny any amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Hisy ny fidinana any ifotony, hijerena ny fizotry ny asa, ny 21 hatramin’ny 24 marsa izao.

Anisan’ny hetsika ataon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny hisarihana mpizahantany avy any Bolgaria. Ao anatin’izany ny hana­sana ireo mpandaharaha avy any an-toerana, hijery sy hitety ny faritra azo tsidihina aty Madagasikara. Anisan’ ny hasongadina ny toerana mahaliana, ny kolontsaina, ny nahandro malagasy, sns.

Partager sur: