TARATRY ny KANTO

«Tabataba an-tononkalo an-tokotany». hetsika miavaka hataon’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny poeta Havatsa Upem. Hatao anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely. Entin’izy ireo hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Hisy fiantsana tononkalo, fanoratana poezia eo no ho eo, sy fivarotana ny bokin’ ireo mpanoratra.
Manomboka miditra tsikelikely eny ifotony, eny amin’ireo Tranom-boky anivon’ny boriborintany eto Antananarivo, sy eny anivon’ny sekolim-panjakana, ny Tetikasa “Kanto Manabe”. Ny mahakasika ny fototra sy ny tokony ho fantatra amin’ny fanaovana sary no ampahafantarina sy ampianarina ny ankizy amin’izany.
Tanterahina manomboka rahampitso, eny amin’ny Zaridainan’Anosy, ny fampirantiana “Fahatsia­rovana ny 29 marsa 1947”. Sary sy tantara maro manodidina ny tolom-panafahana 1947 no ho hita mandritra izany. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampaha­fantatra ny olom-pirenena, indrindra ny ankizy sy ny tanora, ny tantara.
Tsy tena mahalala ny fototry ny fahalalan’ny Malagasy fahiny intsony ny ankehitriny. Amin’ny sehatra rehetra, ahitana io tranga io avokoa. Vitsy dia vitsy sisa, ohatra, ireo mahalala ny hevitry ny hoe «foitra», «fanahy», «johary»… Eo amin’ny fomba, zara raha misy mahafantatra ny antony nanaovana ny orin-trano mito­dika mianandrefana, sns. Anisan’ny antony lehibe nahatonga izany ny tsy fahampian’ny vatonamelankafatra.

Partager sur: