Fifidianana depiote : Hikapoka izay manao vinany ny HCC

“Mampitandrina aho amin’ izao fifidianana ho avy izao: hikapoka mafy dia mafy izahay amin’izay manao vinany eo ka manao ny tsy fahamarinana, fangalaram-bato, fampiasana mpiasam-panjakana sy fitaovam-panjakana.” Io ny nambaran’ny filohan’ny HCC, Florent Rakotoarisoa, taorian’ ny nandraisany ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia teny Ambohidahy, omaly, momba ny fifidianana depiote. Mba hijanonan’izany fomba ratsy izany no antony, ary hana­nana fifidianana madio.

Mazava ny sazy apetraky ny lalàna. Eo ny sazy amin’ny fampielezan-kevitra, mety hiafara amin’ny fanalana an-daharana ny kandidà raha misy fihoaram-pefy. Amin’ny fifidianana kosa, mety ho fanafoanana amin’ny ampahany na manontolo ny valim-pifidianana izany. Manome toky ny HCC fa miezaka lalandava hampadio ny fifidianana. Miantso ny mpanaratsy sy manao izay handotoana ny andrimpanjakana, na ny HCC na ny Ceni, izy: raha misy zavatra tsy mety ataon-dry zareo, itondrana porofo amin’ izany fa tsy atao ankapobeny fotsiny hoe tsy ekena.

R. Nd.

Partager sur: