Mazava ny voalazan’ny lalàna, momba ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka, ho an’ireo sokajin’olona sasany amin’ny andraikitra sy ny asa sahaniny avy. “Mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra na governoran’ ny faritra am-perinasa rehefa tafiditra ao anatin’ny lisitra ofisialin’ny ho kandidà solombavambahoaka, havoakan’ny rafitra mikarakara sy misahana ny fifidianana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana. Na izany aza, tsy mitovy ny lalàna mifehy ireo olom-panjakana na koa manam-pahefana sy ireo olom-boafidy mikasa ny hirotsaka hofidina solombavambahoaka.
Tsy voatery hametra-pialana, ohatra, ireo depiote na koa ireo ben’ny Tanàna na mpanolotsain’ny Tanàna am-perinasa, raha manana fikasana hirotsaka hofidina solombavambahoaka amin’ny 29 mey izy ireo. “Afaka mangataka fe-potoana na andro maromaro hisintahany amin’ ny andraikiny nosahaniny fotsiny izy ireo mandra-pahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka”, hoy ihany izy.
Hametra-pialana ny 18 avrily ireo minisitra
Raha ny feo miely, hisy hirotsaka hofidina depiote ireo minisitra sasany eo anivon’ny governemantan’ny Praiministra, Ntsay Christian, amin’ izao fotoana izao. Izany hoe, tokony hametra-pialana ny 18 avrily izao izany ireo minisitra ireo. Havoakan’ny Ceni amin’io fotoana io ny lisitra ofisialin’ireo kandidà ho depiote.
Synèse R.