Vaky loha sy vava! Maty nodarohina ny lehilahy iray 70 taona, ny talata teo. Roa lahy voasambotry ny zandary. Voalaza fa ady tany no ao ambadiky ny raharaha.
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray efa fotsivolo ny harivan’ny talata lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny zanaka ben’ny Tanàna teo aloha sy lehilahy iray, tao amin’ny fokontany Soanafindra, kaominina Ambatomifanongoa, distrikan’Ambatofinandrahana. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra natsoina any an-toerana: “Nanana olana momba ny tany ilay raim-pianakaviana lasibatra sy ny ben’ ny Tanàna teo aloha iray”.
Niditra an-keriny tao amin’ ny tranon’io lehilahy 70 taona io, ny mpamono sy ny mpiray tsikombakomba taminy. Notaritaritina navoaka ny trano ilay lahiantitra. “Nodarohana sy fanahy iniana novonoina ilay raim-pianakaviana io ka naratra mafy”, araka ny fanamafisan’ny mponina any an-toerana.
Niezaka nanavotra ity niharam-boina ity ny manodidina azy. Nanao izay ho afany namerenana ny ainy ny mpitsabo saingy tsy avotra intsony.
Roa lahy voasambotra
Niroso tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana, vantany nahare ny zava-nisy, ny zandarimaria. Nokarohina ireo roa lahy voalaza ho nahavanon-doza ka voasambotra. “Olon-tsotra nandray anjara mivantana tamin’io habibiana io ny iray”, hoy ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana manohy ny fanadihadiana any Ambositra, araka ny fampitam-baovaonay avy any an-toerana.
Manoloana ny fisamborana, velona ahiahy ny mponina amin’ny mety mbola hahavotsotra ireto olon-dratsy. “Mirehareha ho mahafantatra olona sy mahavidy mpitandro filaminana izy ireo. Efa maro ny fitarainana natao saingy tsy misy tohiny. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany izahay, hijery akaiky ny toe-draharaha”, hoy ny solontenan’ny mponina azo an-telefaonina halina. Toraka izany ny fianakavian’
ny maty, mangataka ny tsy hisian’ny tsimatimanota sy ny tsy hisian’ny kolikoly amin’izao raharaha izao.
Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana lalina azy ireo roa lahy.
Tsiferana R.