Zandary iray namoy ny ainy vokatry ny fifampitifirana tamin’ny dahalo, tao amin’ny tanànan’i Vohasina, fokontany Ambalamontana, kaominina Amborompotsy, distrikan’Ambatofinandrahana, ny marain’ny talata 19 marsa teo. Dahalo 50 lahy nitam-piadiana nanafika tao amin’io tanàna io. Nifanome-tanana ny fokonolona sy ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Amboropotsy nisambotra ireo mpandroba. Nanapoaka basy avy hatrany ireo dahalo. Raikitra ny fifampitifirana ka lavo ny dahalo miisa efatra. Niezaka nanao tari-dositra ireo olon-dratsy rehefa nahita ny namany lavo. Nanohy ny fanarahan-dia hatrany ny fokonolona sy ny zandary ka nifandona fanindroany ireto farany sy ny dahalo. Voatifitr’ireo tsy mataho-tody tamin’io fotoana io ny zandary iray nivoaka avy amin’ny andiany faha-73. Niezaka nanavotra azy ireo mpiara-miasa aminy sy ny fokonolona saingy tsy tana intsony ny ainy. Manoloana ny fahalavoan’io zandary am-perinasa io, nitsapa alahelo ary nitondra ny teny fampiononana ho an’ny fianakavin’ny maty tao Ambositra, ny Koamandin’ny Zandarimariam-pirenena notronin’ireo manam-boninahitra mpiara-miasa aminy. Marihina, nigadona tao Ambositra ny nofo mangatsiakan’ilay zandary namoy ny ainy, afakomaly.
Tsiferana R.