Nahitsy ny hafatra nomen’ ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) Sahivelo Monja Lala Delphin amin’ireo miaramila eo ambany fifehezany, nandritra ny lanonana roa sosona notanterahina teny Ivato. Teo ny nandraisan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety vaovao ny fibaikoana, ny Jly Rakotoson Jocelyn sy ny famindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Andrianarijaona Mamy (kaomandy teo aloha) sy ny Kly Rabemizana Toky (kaomandy vaovao). «Tsy maintsy tratrarina ny tanjona napetraka amin’ny fitandroana ny filaminana. Mankasitraka anareo kaomandy teo aloha nitondra avo ny fanevan’ny Tafika Malagasy tamin’ny fibaikoana napetrakareo», hoy izy. Nambarany tamin’izany fa mila tanterahina araka ny hitsiny ny asa. « Aoka ho fakan-tahaka amin’ny asa ianareo. Misy ny lalàna mifehy antsika miaramila. Tsy handefitra amin’ireo minia mandika sy tsy manaja ny soatoavina ara-miaramila ny MFA », raha ny nambarany hatrany. Nampitain’ny MFA hatrany ny hafatrafatra avy amin’ny praiminisitra manoloana ny paikady rehetra hiatrehana ny ambana misy eto amin’ny firenena. Manana andraikitra goavana
amin’izany ny Foloalindahy. Nanome toky rahateo ireto kaomandy vaovao ireto fa hanohy ny ezaka vitan’ny teo aloha indrindra ny ady amin’ny kolikoly, ao anatin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana. « Aoka hijoro hatrany isika mba hijery ny tombontsoa iombonana eo anivon’ny Tafika Malagasy », hoy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety, ny Jly Rakotoson Jocelyn.
Jean Claude