TSELATRA

Natolotra ny fampanoavana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray mpanao trafikana zava-mahadomelina. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy teny Talatamaty, ka nentin’ny polisy avy hatrany. Nahatrarana rongony 40 fonosana tao an-tranony nandritra ny fisavana. Mahalafo rongony 30 000Ar isan’andro izy, raha ny filazany tamin’ny polisy.
Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antani­mo­ra, afakomaly, ilay jiolahy tompon’antoka tamina halatra moto teny Ampasampito. Nifanehatra tamin’ny polisy izy raha iny variana nanosika moto avy nangalariny iny. Nosa­vain’ny polisy ka fantatra fa tsy azy io moto io. Efa mpamerin-keloka izy satria nigadra noho ny halatra moto ihany, ny taona 2022.
Nitokona nandrehitra kodiarana satria leo amin’ny hafitsoky ny delestazy ny mpianatra ao amin’ny oniversite Barikadimy Toamasina, omaly hariva. Naha­ritra ora maromaro no tapaka ny jiro. Tsy misy fotoana mba hahafahana mianatra satria maizina, raha ny fanazavan’ireo mpianatra. Niverina anefa ny jiro rehefa nidina an-dalambe ireo mpianatra.
Raim-pianakaviana iray no nendahin’ny jiolahy teny Anosizato Andrefana, omaly maraina. Nandeha moto hamonjy asa vao maraina izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy roa nitondra sabatra. Notereny hamoaka ny entana tao anaty kitapo teny am-babeny izy saingy tsy nanaiky fa nanohitra. Naratra teo amin’ny tanany izy saingy afa-nitsoaka ihany.

Partager sur: