Filankevitry ny minisitra : nadinin’ny filoha ny 100 andro ireo minisitera roa

Mitohy ny fampahafantarana ny fandaharanasa maika ao anatin’ny 100 andro. Minisitera roa indray no nanao ny fanolorana ny tomban’ezak’izy ireo nanoloana ny filohan’ny Repoblika, afakomaly, tamin’ny filankevitry ny minisitra.

Nohenoin’ny filoha tamin’izany ny vita sy ny vina ho an’ny andro sisa tavela amin’izany 100 andro izany, ho an’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Teo ny fametrahana ny faritra manokana ho an’ny fiompiana trondro, ny fizarana zana-trondro sy ny fitaovana fiompiana trondro avadika ho asa fihariana ary ny fampiofanana amin’ny teknika fiompiana trondro.
Minisitra faharoa nohenoin’ny filohan’ny Repoblika ny misahana ny Fizahantany sy ny asa tanana. Tanjona ny hampiroborobo ny fampiasam-bola, ny fampahafantarana ny “déstination Madagas­car”, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany. Hamoraina ny fahafahan’ireo mpanao asa tanana mahita ny akora ampiasaina ka tanjona ny hampivelarana ny harena araka ny olona, ho fanatsarana ny sehatry ny asa tanana. Nanamarika ny filohan’ny Repoblika tamin’izany fa ilaina ny fametrahana ny “Vil­lage artisanal”. “Hitondra vo­katra mivantana eny amin’ny fiainan’ny mpanao asa tanana izany ka tsy maintsy hatomboka mialoha ny volana jona izao”, hoy izy.

Fanafainganana ny asan’ny mpitandro filaminana

Ankoatra ireo, voaresaka ny minisitera delege misahana ny zandary, nampita am-bava ny fametrahana ny paikady hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Ny hanakaikezana ny vahoaka ka nampitomboina ny fisafoana eny ifotony sy ny amin’ny toerana saro-dalana. Notakin’ny Filoham-pirenena kosa anefa ny hafainganana hatrany ny “intervention” na ny fidirana an-tsehatra. “Maridrefy ahafahana mahita ny fahefam-panjakana eny ifotony ny ha­fain­ganam-piasan’ny mpitandro filaminana”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: