Fahatsiarovana ny 29 marsa : hanomboka anio ny hetsika

Fampahatsiahivana… 29 marsa 1947-29 marsa 2024: feno 77 taona ny tolom-panafahan’ny tia tanindrazana. Hanomboka amin’ny fomba ofisialy anio, ny hetsi-paha­tsiarovana, eny amin’ny zari­dainan’Anosy ho an’Antana­na­rivo, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny mpiady tia tanindrazana sady filohan’ny komity teknika mpikarakara, ny jeneraly Randrianante­naina Emilson. Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo mpiady tia tanindrazana sy ireo zokiolona 70 taona no ho miakatra amin’izany. Hanomboka amin’ ny 25 marsa ka hatramin’ny 6 avrily izany, any Moramanga.
“Tolom-panafahana: fitiavan-tanindrazana no fototry ny fampandrosoana” no lohahevitry ny hetsika amin’ity taona ity. Hisy ny fotoam-pivavahana eny amin’ny fiangonana advantista, Soamanandrariny, ny 23 marsa. Eo koa ny fampirantiana hatao eny amin’ny zaridainan’Anosy, ny 22 hatramin’ny 27 marsa, andraisan’ny avy amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina anjara ary ireo tia tanindrazana. Ny 25 hatramin’ny 27 marsa kosa ny fampirantiana eny amin’ny sekoly. Betsaka ny sekoly nangataka sy nangetaheta ny hanaovana an’izay, araka ny fanazavana. Ny 24 marsa, misy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana karakarain’ny FFKM eny amin’ ny FLM 67 Ha. Ny 29 marsa ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fampiroboroboana ny afo tsy maty.

R. Nd.

Partager sur: