Mba hanakarana bebe kokoa sy hiadiana
amin’ny kolontsain’ny fanolanana sy ny fanolanana ataon’olom-pady eto Madagasikara, nanome fanampiana ara-pikarohana an’ireo mpikaroka miisa enina ny Nifin’Akanga. Hatao rahampitso ny fizarana sy ny famelabelarana mahakasika izany, eny amin’ny Radisson Blu Ankorondrano.
Fantatra, nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fampidirana ny fitaovana izay fanomezana avy amin’ny Unicef. Ahitana kojakojam-pianarana hahafahana miatrika ny fiantraikan’ny rivodoza amin’ireo mpianatra traboina izany.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny lisitry ny fitaovana sy kojakoja ilain’ny minisiteran’ny Fahasalamana amin’ireo hopitaly manara-penitra miisa 27 sy CSB manerana ny Nosy. Hovidiana eo anivon’ny Unops izany. Hisy ny fifanarahana amin’ny vidin’entana eo amin’ny Unops aorian’ny fanapahan-kevitra.
Tontosa ny atrikasa fananganana sy fanamafisana traikefa ho an’ny mpiantsehatra momba ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza tao amin’ny distrikan’i Vatomandry sy ireo kaominina manodidina azy, nandritra ny roa andro. Tanjona ny hifehezan’ireo tomponandraikitra ny asa sahaniny mialoha, mandritra ary aorian’ny loza.