Anisan’ireo mandray anjara mavitrika amin’ny Andro maneran-tany ho an’ny famantarana ny toetry ny andro atao etsy amin’ny Parvis Analakely, ny Mpanazava eto Madagasikara, rahampitso. Hampahafantatra ny asa ataony mahakasika izany sy ny tontolo iainana izy ireo. Hitarika famelabelaran-kevitra sy hampilalao, amin’ny alalan’ny fanentanana momba ny lohahevitra: “Ny ankizivavy sy ny fiovaovan’ny toetr’andro” no fandaharam-potoana.
Hanana ny tranohevany, araka izany, ny Mpanazava. Afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana sary nampanaovin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro ihany koa ireo Mpanazava rehetra manerana ny Nosy. Afaka aterina eo amin’ny tranoheva laharana 40 izany.
Tanora Mpanazava efatra no handray anjara amin’ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny ankizivavy sy ny vehivavy manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Anisan’izany Ravoavison Aurélie, Rajaonatana Koloina, Rasetasoa Saotra ary Mumo Joanne, mpandray anjara amin’ny Yess Program. Tsiahivina fa nandray anjara tamin’ny hetsika ora iray ho an’ny tany ihany koa ny Mpanazava. Nanentana ny mpikambana amin’ny fandehanana an-tongotra, hisakafo amin’ny fatra sahaza, ary hanary ny fako amin’ny daba voatokana amin’izany.
Tatiana A