Hankalazaina anio 22 marsa, any Morondava, ny Andro maneran-tany ho an’ny rano (JME). Lohahevitra ny hoe «Rano antoky ny filaminana». Mialoha izany, notokanana omaly ny fotodrafitrasa mahakasika ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana, teo ambany fiahian’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, notronin’ny minisitry ny Fanatanjahantena, Resampa Haja. Tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny fanamby 100 andro hahazoana rano fisotro madio sy fotodrafitrasan’ny fanadiovana sy fidiovana ity hetsika ity. Miisa efatra ny toerana nisitraka izany, rano fisotro (AEP) ho an’Analaiva Morondava, rano fisotro (AEP) sy fanadiovana ary fidiovana (BSAN) any Bezezika Mahabo, AEP sy BSAN any Miary Mahabo ary AEP sy BSAN any Anjatelo Mahabo.
Misitraka rano ny 54,5 % ny Malagasy, ankehitriny. Niakatra ho 54% ny tahan’ny fisitrahan’ny mponina rano any amin’ny faritra Menabe, raha 39% izany tamin’ny taona 2022. Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika nanangana ireo fotodrafitrasa ireo ny ONG Helevetas, niantoka ny 70% ny vola. Avy amin’ny kaominina mpisitraka ny tetikasa kosa ny 30% ambiny.
Njaka A.