Nopitsohin’ny jiolahy miisa 12 ny tokantrano iray ao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Maty voatifitra ny lehilahy iray, nisy vaviantitra hafa naratra.
Maty voatifitra teo amin’ ny tratrany ny raim-pianakaviana iray, 34 taona, monina ao amin’ny fokontany Anjezika, kaominina Mahavelona, distrika Ankazobe. Namoy ny ainy vokatry ny tifitr’ireo olon-dratsy izy, ny alin’ny alarobia 20 marsa lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny jiolahy maherin’ny folo nitam-piadiana, nitondra Kalachnikov sy Mass 36, ary basim-borona.
Nosokirin’ireo olon-dratsy ny varavaran-trano tamin’ny 10 ora alina. Tafiditra an-trano, nitifitra tamin’ny basy ireo jiolahy. Niezaka nanohitra ny tompon-trano saingy maty voatifitra teo amin’ny tratrany. Ankoatra azy, naratra ihany koa ny renim-pianakaviana iray, 74 taona. Voatoto tamin’ ny vodibasy teo amin’ny lohany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimaria.
Bala karazany roa
Nahitan’ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny fanadihadiana karazam-bala miisa roa tamin’ny vatan’ ilay raim-pianakaviana maty voatifitra. “Bala avy amina basy mahery vaika Mas 36 sy bala nampiasana tamin’ny basim-borona no nitifiran’ireo jiolahy azy”, hoy ny fanazavana an-telefaonina avy amin’ny zandary kaomandin’ny kaompania Ankazobe.
Tsy nandroba na inona na inona ireo dahalo tao an-tranon’ireo voatafika. Namono ilay raim-pianakaviana 34 taona no tanjon’izy ireo. Nihazo ny kaominina Ambolotarakely izy ireo taorian’ny asa ratsiny. Marihina fa nisy balana Mass 36 enina taraiky tao amin’ny toerana notafihina, niampy bala miisa dimy avy amin’ny basim-borona “calibre” 12 sy 16.
Tsiferana R.