“Hetsika 29 marsa”: adidy fampitana ny fitiavan-tanindrazana

Fampirantiana an-tsary ny tolona, fizaham-pahasala­mana an’ireo zokiolona nitolona ho an’ny tanindrazana 70 taona no ho miakatra… Ireo no na­nombohana ny fahatsiarovana ny faha-77 taon’ny 29 marsa 1947 teny amin’ny zaridainan’ Anosy, omaly. “Manana adidy hanampy hampita amin’ireo zanatsika ny tantara nisy marina ny taranaka ankehi­triny”, hoy ny tale misahana ny mpiady tia tanindrazana sady filohan’ny komity mpikarakara, ny jeneraly Randria­nantenaina Emilson. Koa hampitaina amin’izany ny lanjan’ny fitiavan-tanindrazana ananan’ny Malagasy sy ny fiaraha-mientana nisy teo amin’ izy ireo mba ho soa ho an’ny tanindrazana. Maro tamin’izy ireo no latsa-dra, nitondra takaitra, namoy ny ainy noho ny fitiavan-tanindrazana. Ma­nome lanja izany ary manome hasina ny mpitolona ny fitondrana, amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana ireo sisa mbola velona, ka manome azy ireo ny vola fiahy isan-telovolana sy ny fanonerana ny saram-pitsaboana ho azy ireo…
“Ny fitiavana dia fahafoi­zana ny tena, ny aina, ny ha­rena ho an’ny zavatra iray. Eo koa ny hoe tanindrazana”, hoy kosa ny filohan’ny Antenimie­randoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika. I Madaga­si­­kara no tanindrazana. Te­nenina izay fa maro loatra ny manasaraka ny Malagasy: foko, fivavahana, firazanana… Ny mampisaraka no be, fa tsy ny tanindrazana sy ny fitiavan-tanindrazana. Fikatsahana manontolo ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fitiavan-tanindrazana, mandroso mankany amin’ny fiadanan’ny Malagasy tsirairay.

R. Nd.

Partager sur: