Tsiafahy: namboly hazo 1 500 fototra ny fikambanana DHEA

Maherin’ny 200 ireo mpikambana ao amin’ny DHEA tonga namboly hazo teny Tsiafahy, omaly. Sady nanohana ny voafonja rahateo izy ireo, nandritra ny fandalovany teny.

Hazo fihinam-boa haingam-pitombo miisa 1 500 fototra no nambo­len’ny fikambanana’ireo ma­nam-pahaizana nivoaka avy tamin’ny Hautes Études en Administration (DHEA), Enam, omaly, teny Tsiafahy. Miara-mientana manamaitso ny tontolo iainana sy miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny teny fanentanana nentin’izy ireo.
Niara-niombon’antoka ta­min’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny fitaleavana ankapobeny mi­sahana ny Fandraharahana ny fonja ny fikambanana tamin’ ny fanamaitsoana ny tontolo.
Tetikasa fambolen-kazo fihinam-boa sy fambolena legioma ary mangahazo amin’ny tany ao Tsiafahy no natao. Teo koa ny fitsinjovana ny lafiny sosialy sy ny maha olona ka nanoloran’ny DHEA masomboly voafantina, voamaina sy legioma ary zezika amin’ny gony maromaro, mba ho fanatsarana ny fambolena. Nisy koa ny manam-pahaizana, injeniera momba ny hazo sy ny ala ary ny fampivoarana ny tontolo iainana, manao tan-tsoroka amin’ny fanomezana torolalana amin’ny fambolena manaraka ny fenitry ny famokarana sy ny fitehirizana ireo voankazo sy voamaina ary legioma.
“Kendrena ny hampiroborobo ny famokarana voankazo sy legioma mba ho fanampiana ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny voafonja. Tanjona ny hanofana ny voafonja hahafehy ny fambolena ka ho lasa asa fivelomana mendrika ho azy ireo rehefa miverina eny amin’ny fiarahamonina ka hiroso hahavelontena izy ireo”, hoy ny filohan’ny fikambanana DHEA, Ramanantsoa Andriamahafaly Rado.
Manana andraikitra amin’ny fiarovana sy fikojakojana ary ny fanaraha-maso ny fitombon’ireo hazo voavoly ny fikambanana. Tetsy andaniny, nanolotra fitaovam-pambolena sy sakafo ho an’ny voafonja koa ireo mpikambana.

Tatiana A

Partager sur: