Tontosa, omaly, tao amin’ny Kudeta Anosy, ny lanonana namaranana tanteraka ny andiany faha-10 amin’ny “Smatchin”, taranja basikety. Fotoana niarahana nifety tamin’ireo mpandray anjara sy ny mpikarakara ity hetsika ity.
Voatsonga ho mpilalao mendrika ka nahazo ny “mention honorable” i Mathias M’Madi, Malagasy mpilalao basikety. Nisongadina tanteraka izy nandritra ny taom-pikatrohana voalohany natrehany tao amin’ny Steller.
Ahitana fiovana ny datin’ny fifaninanana rezionaly U14 sy U16, taranja basikety, ligim-paritra Alaotra Mangoro. Hatao ny 17 hatramin’ny
20 mey izany raha toa ka saika hotanterahina ny 25 hatramin’ny 29 marsa izao.
Tapitra teo amin’ny lalao ampahefa-
dalana, ny lalan’ny Ankoay lehilahy, amin’ny Lalao Afrikanina andiany faha-13, tanterahina any Ghana. Resin’i Ouganda tamin’ny isa 20 no ho 17 i Madagasikara.
Omaly sy anio ny andiany faha-13 amin’ ny “All Star Game des Lycées”, taranja basikety, hatao any Etazonia. Lalao karakarain’ny Académie du Blue Chip de Virginie. Anisan’ny voasafidy
handray anjara amin’izany Rakotonanahary Donovan, Malagasy mpilalao mila ravinahitra any an-toerana.