VAOVAO TAMBATRA

Miisa 5 ny mpampiasa vola vahiny amin’ny fizahantany vonona ny handraharaha eto Madagasikara. Toerana 15 no efa hita azo hananganana fotodrafitrasa an’ny fanjakana na koa tsy miankina. Vondrona fandraisam-bahiny lehibe 7 ihany koa no efa nilaza fa liana ho eto amintsika. Anisan’ny paikady hampiroboroboana ny fizahantany avokoa ireo.

Hapetraka ny foibe fivarotana akora fototra ho an’ny mpanao asa tanana. Laharam-pahamehana amin’ izany ny tandrok’omby sy ny rofia ary ny vy. Efa mampanao antso tolobidy ho an’ny orinasa liana hanangana azy. Miisa 500 ny mpanao asa tanana hizarana karatra matihanina, ka efa nahazo ny 300, sady nampidirina anaty rindram-baiko (logiciel).

Filoha vaovao hitantana ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM) mandritra ny roa taona (2024-2026) Atoa Rabarijhon Francis, taorian’ny fifidianana nataon’ireo mpikambana. Mpandraharaha sady tale jeneralin’ny Imperial brands ity filoha vaovao ity. Miisa 59 ny vato azony nandritra ny fifidianana, natao ny alarobia teo.

Tafiditra ao anatin’ireo firenena 10 voalohany aty Afrika manana karazan-javamananaina miavaka maneran-tany i Madagasikara. Manodidina ny 250 000 ireo zava-boary ananantsika ary tsy fahita maneran-tany ny 70% amin’izany toy ireo karazana baobab fito hita eto an-toerana. Anisan’ireo toerana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 ny Nosy malagasy.

Partager sur: