Fitakian’ny mpirakidraharaha fitsarana: manome fe-potoana herinandro ny sendikà

Vary mangatsiaka? Raharaha tsy mbola vita ny fitakian’ny mpirakidraharaha fitsarana…

“Miandry valiny ao anatin’ny fotoana fohy izahay amin’ireo fitakiana ataonay ireo. Raha tsy izany, hisy ny fivoriambe tsy ara-potoana hanapahanay ny tohin’ny hetsika henjana hataonay”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM), Randriamaharo Alain Michel, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, taorian’ny fivoriambe notarihiny.
Anisan’ny angatahan’izy ireo tsy misy hatak’andro ny fampitsaharana ny fandraisana mpiasa mirazotra izay ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Satria fandikan-dalàna miharihary izany, ary famotehana tanteraka ny sehatr’asa misy azy ireo. Tsy inona izay fa fampidirana olona maimaimpoana fotsiny izao, nefa tsy mandalo fifaninanana, fiofanana, fizaran-draharaha. Angatahan-dry zareo koa ny tambin-karama izay tsy nahazoam-baliny tato anatin’ny roa taona. Nefa mahita izy ireo fa mahazo izany ihany ireo sehatr’asa na vondrona hafa eo anivon’ny fitsarana, rehefa mangataka mangingina any amin’ny minisitera. Takin’izy ireo koa ny hanaovan’ny minisiteran’ny Fitsarana fandaminana tetibola mba hahazoana manome tambin-karama azy ireo tahaka ny hanomezana izany amin’ireo sehatr’asa hafa. Efa nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo, nefa tsy mba nahazo izany. Koa amin’izao, mangataka fihaonana mivantana amin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo mba hahazoana mamaha ny olana.

R. Nd.

Partager sur: